<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>616</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Rainay be fitia !
 Avy izahay
 Hila zava-tsoa
 Ato Aminao ;
 Mihainoa anay.

[V2]
 Rainay tsy miova !
 Mijere anay,
 Zanaka nikomy,
 Fa naverinao :
 Maneke anay.

[V3]
 Rainay be fiantra !
 Menatra izahay,
 Dia mba mifona
 Eo imasonao
 Miantrà anay.

[V4]
 Rainay be harena !
 Mpanome ny soa !
 Izahay mahantra,
 Mitaraina hoe :
 Manomeza anay.

[V5]
 Rainay be fitia !
 Indreto izahay
 Avy mba hitondra
 Saotra ho Anao :
 Aza lavinao.</lyrics>
<title>Rainay be fitia! FFPM616</title>
</song>